🇫🇷🇫🇷🇫🇷 Rencontre avec la Directrice de la DRPPSPF Haute Matsiatra


Décembre 2021, Fianarantsoa – Haute Matsiatra
Pendant les déplacements de l’équipe de l’ONG LCDM SOLIMAD a Fianarantsoa, chef-lieu de la Région Haute Matsiatra, une rencontre a eu lieu avec la directrice regionale de la Population, de la Protection Sociale et de la Promotion de la Femme. Durant la rencontre, la délégation menée par Pascale Tuseo – Jeannot, Présidente de l’ONG, et la directrice régionale ont échangé sur les actions menées par le LCDM SOLIMAD pour soutenir les drépanocytaires dans leurs vies quotidiennes ainsi que les prises en charge de la maladie. Les déplacements de l’équipe de l’ONG LCDM SOLIMAD ont permis de mobiliser à nouveau les principaux acteurs dans la lutte contre la Drépanocytose.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 Fihaonana teo amin’i Talen’ny DRPPSPF – Matsiatra Ambony

Desambra 2021, Fianarantsoa – Matsiatra Ambony
Rehefa nanao fitsidihana tao Fianarantsoa, renivohi-paritry Matsiatra Ambony, ny mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD dia nihaona sy nitafa tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana tao an-toerana ka anisan’izany koa ny talem-paritry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny Vehivavy. Nandritra izany fihaonana teo amin’ireo mpikambana ao amin’ny ONG tarihin’i Ramatoa Pascale Tuseo – Jeannot sy ny talem-paritra no nifampizarana ny momba ireo hetsika tohana hoentin’ny LCDM SOLIMAD ho an’ireo Mpifaingosela eo amin’ny fiainana andavanandro sy amin’ny fitsaboana. Ny fotoana toa itony no hoetin’ny mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD manamafy indray ny fiara-mientan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny ady amin’ny Faingosela.

🇫🇷🇫🇷🇫🇷 LCDM SOLIMAD – L’équipe en descente a Fianarantsoa


Décembre 2021, Fianarantsoa – Haute Matsiatra
L’équipe de l’ONG LCDM-SOLIMAD, menée par sa Présidente Pascale Tuseo – Jeannot, a effectué une descente à Fianarantsoa, capitale de la Région Haute Matsiatra. A Fianarantsoa, les membres de l’ONG ont rencontré le Gouverneur de la Région ainsi que les drépanocytaires et leurs familles. Une occasion pour échanger et discuter sur la prise en charge des malades et de la lutte contre la Drépanocytose.


🇲🇬🇲🇬🇲🇬 LCDM SOLIMAD – Nidina ifotony tany Fianarantsoa

Desambra 2021, Fianarantsoa – Matsiatra Ambony
Nananteraka fidinanana ifotony tany Fianarantsoa ireo mpikambana izay notarihin,ny Filohany Pascale Tuseo – Jeannot. Nandritra izany fidinana tany an-toerana izany dia nihaona tamin’i Goverona ny Faritra Matsiatra Ambony izy ireo niresaka sy nifampizara ny fomba fitsaboana ny Faingosela. Nihaona ihany koa tamin’ny marary, ny Mpifaingosela, sy ireo fianakavian’ny marary ka nifampizara ny fomba fitsaboana ny Faingosela.

Fianarantsoa: LCDM – SOLIMAD et la Fondation Akbaraly dans la lutte contre la Drépanocytose

Fianarantsoa, Région Haute Matsiatra

En décembre 2021, dans le cadre de la lutte contre la Drépanocytose, l’ONG LCDM-SOLIMAD et la Fondation Akbaraly ont mené une campagne de sensibilisation à Fianarantsoa. Une rencontre avec le personnel médical a eu lieu au Centre Rex de la Fondation Akbaraly dans le capital de la Région Haute Matsiatra pour un partage sur le dépistage, le traitement et la prise en charge des drépanocytaires. 

Fianarantsoa: Miady amin’ny Faingosela ny ONG LCDM – SOLIMAD sy ny Fondation Akbaraly

Fianarantsoa, Faritra Matsiatra Ambony

Ny volana desambra 2021 dia nidina ifotony tany Fianarantsoa ny ONG LCDM – SOLIMAD ary niara-mientana amin’i Fondation Akbaraly amin’ny ady amin’ny Faingosela. Nandritra izany fanentanana natao tao amin’ny Centre Rex ao andrenivohitry Faritra Matsiatra Ambony izany dia nihaona tamin’ireo mpitsabo tao amin’io ivo-toerana io. Nifampizarana ny fomba fitsirihana, ny fitsaboana ary ny fandraisan’an-tanana ireo mpifaingosela (mararin’ny Faingosela) ireo mpikambana ao amin’ny ONG LCDM – SOLIMAD. 

🇫🇷🇫🇷🇫🇷 Les maires sensibilisés sur la Drépanocytose

Antsohihy, Sofia. 28 au 30 octobre 2021

En parallèle, à la participation de l’ONG LCDM SOLIMAD aux Journées internationales de la Région qui s’est déroulé à Antsohihy, Région Sofia, du 28 au 30 octobre dernier, les maires de cette circonscription régionale ont ete sensibilises sur la lutte contre la Drepanocytose.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 Ady amin’ny Faingosela, noentanina ireo Ben’ny tanana

Antsohihy, Sofia. Ny 28 hatramin’ny 30 oktobra 2021

Nandritra ireo Andro iraisam-pirenena mombe ny Faritra notanterahina tany Antsohihy, Faritry Sofia, ny 28 hatramin’ny 30 oktobra lasa teo dia notanterahin’ireo mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD ny fanentanana an’ireo Ben’ny tanana momba ny ady amin’ny Faingosela.

🇫🇷🇫🇷🇫🇷 Journées Internationales de la Région – Sofia

Antsohihy, Sofia. 28 – 30 octobre 2021

La troisième édition des Journées internationales de la Région s’est tenue du 28 au 30 octobre dernier à Antsohihy, capitale de la Région Sofia. La manifestation s’est tenue à l’hôtel Bellevue où des stands ont été érigés pour présenter les activités économiques et sociales de la région du Sofia. L’ONG LCDM SOLIMAD a figuré parmi les participants et y a présenté la mission et les actions de l’ONG dans la lutte contre la Drépanocytose. La cérémonie d’ouverture des Journées Internationales de la Région a vu la présence du Premier ministre Christian Ntsay. Celui-ci a en effet visité le stand de l’ONG LCDM SOLIMAD.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 Andro iraisam-pirenena ny Faritra – Sofia

Antsohihy, Sofia. 28 hatramin’ny 30 oktobra 2021

Nonontosaina tao Antsohihy renivohitry ny Faritry Sofia ny andiany fahatelo amin’ny fanamarihana ireo Andro iraisam-pirenena ny Faritra ny 28 hatramin’ny 30 oktobra lasa teo. Tamin’izany fanamarihina izany dia nisy ireo tranoheva maro izay mampiseho ireo sehatr’asa ara-pihariana sy ara-tsosialy any an-toerana. Nandray anjara tamin’izany ny ONG LCDM SOLIMAD, fotoana nampahafantarana ireo tanjano sy vina ary ireo asa tanterahan’ny fikambanana eo amin’ny fiaraha-monia amin’ny ady amin’ny Faingosela. Marihina fa ny Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian no nanokatra ny hetsika teny an-toerana. Ary dia nitsidika ireo tranoheva ka anisan’izany ny tranoheva ny ONG LCDM SOLIMAD.

🇫🇷🇫🇷🇫🇷 Descente de l’eéquipe de l’ONG LCDM SOLIMAD a Mahajanga

Mahajanga, 19 et 20 novembre 2021

Pendant la descente à Mahajanga de la délégation de l’ONG LCDM SOLIMAD présidée par Pascale Tuseo – Jeannot, une rencontre a eu lieu avec les médecins de la ville des Fleurs a la grande salle de l’Hôtel de ville, dans l’après-midi du 19 novembre dernier. La séance d’informations s’est focalisée sur la Drépanocytose et la prise en charge des drépanocytaires ainsi que sur les activités de l’ONG. Le lendemain, 20 novembre, l’équipe de l’ONG LCDM SOLIMAD a rencontré des drépanocytaires et leurs familles. La rencontre a eu lieu à l’espace Gasy Etsetra ou les membres de l’ONG LCDM SOLIMAD ont échangé avec les malades et leurs familles sur la maladie.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬ONG LCDM SOLIMAD nidina ifotony tany Mahajanga

Mahajanga, 19 sy 20 novambra 2021

Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ny mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD tarihin’ny Filohany Pascale Tuseo-Jeannot tany Mahajanga dia nisy ny fihaonana tamin’ireo mpitsabo tany an-toerana ny 19 novambra tolakandro. Tao amin’ny Lapan’ny Tanana no notanterahina io fihaonana io izay niopana tamin’ny famelabelarana momba ny ONG LCDM SOLIMAD, ny aretina Faingosela ary ny fitsaboana azy. Ny 20 novambra indray kosa dia nihaona sy nifampiresaka tamin’ireo Mpifaingosela (marary ny Faingosela) sy ireo fianakavian’ny marary ny mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD. Nandritra ny fihaonana tao amin’ny Espace Etsetra no nanantaterahan’ny mpikambana ao amin’ny ONG ireo fanentanana mikasika ny manodidina ny Faingosela sy ny Mpifaingosela.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬Ny Faingosela sy ny Fianarana


Ny Faingosela dia miteraka fanaintainana eo amin’ireo zaza mitondra izany aretina izany. Noho izany fanaintainana izany dia misy fotoana voatery mampianto ny fianarany ireo zaza na tanora, indraindray maharitra izany fiantona izany. Manoloana izany dia zava-dehibe ireo fitsaboana sy toro-lalana avy amin’ireo mpitsabo ao anatin’ny ONG LCDM SOLIMAD ahafahana miatrika ny Faingosela ary hananan’ireo zaza sy tanora hoavy eo amin’ny fiaraha-monina. 

🇫🇷🇫🇷🇫🇷La Drépanocytose et les études 


La Drépanocytose est une maladie qui perturbe la scolarité des des enfants et des jeunes à cause de la douleur qu’elle engendre. Des fois, ces enfants sont obligés de se porter absents pendant de longue période suivant le degré de la douleur. Les médecins de l’ONG LCDM SOLIMAD interviennent alors pour la prise en charge de ces malades et pour leur accompagner pour faire face à la maladie et pour avoir un avenir meilleur. 

Ivo-toerana mitsabo Faingosela Antsiranana

Nanatanteraka fanentanana sy fahampahalalana momba ny Faingosela na Drépanocytose tao amin’ny Oniversite Antsiranana ny Dr Setriny Ravoavy, Médecin Référant ny Ivo-toerana LCDM SOLIMAD Antsiranana. Ankoatra ny fiazarana sy fampahafantarana ny momba ny Faingosela dia nisy ihany koa ny fanomezan-dra ho an’ny Mpifaingosela na Drépanocytaires. Ireo mpianatra ao amin’ny Institut Sainte-Anne sy ireo miaramila no nanome ra ho an’ireo Mpifaingosela mila izany.

Centre de référence Drepanocytose Antsiranana

La semaine dernière, le Médecin référant de l’ONG LCDM SOLIMAD à Antsiranana, le Dr Setriny Ravoavy, a tenu une séance sensibilisation sur le Drépanocytose à l’Université d’Antsiranana à l’endroit des étudiants. Par ailleurs, les étudiants de l’Institut Sainte-Anne et des militaires ont aussi fait des dons de sang pour les drépanocytaires.

Caravane médicale – LCDM SOLIMAD

La caravane médicale est une actions déployée par l’Etat pour permettre à la population de se rapprocher de plus en plus des services de santé par sa gratuité. Lorsque la caravane médicale s’est orientée vers le Grand Port de l’Est, l’ONG LCDM SOLIMAD y a pris part. Des séances d’information et de sensibilisation sur la Drépanocytose ont été entreprises par le Dr Ndahimananjara Johanita, médecin référent de l’ONG à Toamasina, suivi des journées de consultation et dépistages.

Hetsika Caravane médicale – ONG LCDM SOLIMAD

Anisan’ny hetsika notanterahan’ny fanjakana ny « Caravane médicale » izay manakaiky kokoa ny vahoaka sy najafahan’izy ireo nisitraka fitiliana sy fitsaboana maimaimpoana. Nandray anjara tamin’io hetsika io ny ivotoeran’ny LCDM SOLIMAD izay tarihin’i dokotera Ndahimananjara Johanita. Maro ny olona tonga nanatona nanao fitilina sy fizaham-pahasalamana maimaimpoana.

Farafangana: Dépistage de diabète chez les drépanocytaires

Le 21 août dernier s’est déroulé à l’Hopital Be de Farafangana une journée de dépistage de diabète chez les drépanocytaires. Ce sont les clubs de service tels que le Lions Club de la Zone 11 (Toliara, Fort-Dauphin, Manakara, Farafangana et Ambovombe), du Léo Club Fierena et les acteurs de la santé tels que les médecins et paramédicaux du Centre Hospitalier Universitaire de Farafangana et du médecin référent de l’ONG LCDM SOLIMAD local qui organisé cet événement. Pendant cette journée, l’initiative a permis à 55 femmes et 29 hommes drépanocytaires de se faire dépister, et à l’issu de laquelle 11 personnes sont testées positives au diabète. Le dépistage est nécessaire pour faciliter la prise en charge des drépanocytaires et pour éviter les risques de complications.

Farafangana: Fitsirihana diabeta natao tamin’ireo Mpifaingosela

Ny 21 aogositra lasa teo dia nikaraka fitiliana diabeta tamin’ireo Mpifaingosela ireo Lions Club faritra faha-11 (Toliara, Fort-Dauphin, Manakara,Farafangana Ary Ambovombe), ireo Léo Club Fierenana, ny Centre Hospitalier Universitaire Farafangana ary ny Mpiandraikitra ny Ivo-toerana mitsabo Faingosela (ONG LCDM SOLIMAD) ao an-toerana. Nandritra io andro io dia Mpifaingosela 11 amin’ireo vehivavy 55 sy lehilahy 29 notilina no voamarina fa tratry ny diabeta. Ilaina ny fitiliana ny diabeta mba hanamora ny fandraisana an-tanana ireo mararin’ny Faingosela sy mba ialana amin’ny mety fahasarotana ho sedrainy.