🇫🇷🇫🇷🇫🇷 Descente de l’eéquipe de l’ONG LCDM SOLIMAD a Mahajanga

Mahajanga, 19 et 20 novembre 2021

Pendant la descente à Mahajanga de la délégation de l’ONG LCDM SOLIMAD présidée par Pascale Tuseo – Jeannot, une rencontre a eu lieu avec les médecins de la ville des Fleurs a la grande salle de l’Hôtel de ville, dans l’après-midi du 19 novembre dernier. La séance d’informations s’est focalisée sur la Drépanocytose et la prise en charge des drépanocytaires ainsi que sur les activités de l’ONG. Le lendemain, 20 novembre, l’équipe de l’ONG LCDM SOLIMAD a rencontré des drépanocytaires et leurs familles. La rencontre a eu lieu à l’espace Gasy Etsetra ou les membres de l’ONG LCDM SOLIMAD ont échangé avec les malades et leurs familles sur la maladie.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬ONG LCDM SOLIMAD nidina ifotony tany Mahajanga

Mahajanga, 19 sy 20 novambra 2021

Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ny mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD tarihin’ny Filohany Pascale Tuseo-Jeannot tany Mahajanga dia nisy ny fihaonana tamin’ireo mpitsabo tany an-toerana ny 19 novambra tolakandro. Tao amin’ny Lapan’ny Tanana no notanterahina io fihaonana io izay niopana tamin’ny famelabelarana momba ny ONG LCDM SOLIMAD, ny aretina Faingosela ary ny fitsaboana azy. Ny 20 novambra indray kosa dia nihaona sy nifampiresaka tamin’ireo Mpifaingosela (marary ny Faingosela) sy ireo fianakavian’ny marary ny mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD. Nandritra ny fihaonana tao amin’ny Espace Etsetra no nanantaterahan’ny mpikambana ao amin’ny ONG ireo fanentanana mikasika ny manodidina ny Faingosela sy ny Mpifaingosela.

🇫🇷 🇫🇷 🇫🇷Descente de l’équipe du LCDM SOLIMAD à Mahajanga

Vendredi, 19 novembre 2021,

L’équipe de l’ONG LCDM SOLIMAD, présidée par Pascal Tuseo-Jeannot, a effectué une descente sur terrain à Mahajanga. Pour la première journée, l’équipe a rencontré le directeur de la DAT du Centre Hospitalier Universitaire (CHU) Androva ainsi que le chef service Hématologie. Après cette visite du CHU Androva, l’équipe de Pascale Tuseo-Jeannot s’est rendue à la Faculté de Médecine de l’Université de Mahajanga. L’ONG LCDM SOLIMAD a en effet procédé à la remise de livres et de manuels de médecine a la Faculte de Medecine a la capitale du Boeny. Ces dons sont le fruit de la coopération de longue date entre l’ONG LCDM SOLIMAD et la Faculté de Médecine Paris – Sud. Par ailleurs, l’équipe de l’ONG LCDM SOLIMAD a aussi rencontré les médecins de la ville de Mahajanga a la grande salle de l’Hôtel de Ville. Cette rencontre a été une séance d’informations à l’endroit des médecins sur la lutte contre la drépanocytose.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬 Nidina ifotony ny mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD

Zoma, 19 novambre 2021, Mahajanga

Nidina ifotony ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD, izay tarihin’ny Filohany Pascal Tuseo-Jeannot ny herinandro lasa teo. Tamin’izany dian’izy ireo tany Mahajanga izany dia nihaona tamin’ny tale ny DAT ao amin’ny CHU Androva sy ny lehiben’ny sampana “Hématome” ireto mpikambana ao amin’ny ONG LCDM SOLIMAD ireto. Rehefa avy nihaona tamin’ireo tomponandraikitra tao amin’ny CHU Androva dia namonjy ny Sampana Fitsaboana ao amin’ny Oniversite ny Mahajanga. Natolotra tamin’izany ireo bokim-pianarana fitsaboana fanomezana azo teo amin’ny fiaraha-miasan’ny ONG LCDM SOLIMAD sy ny Faculté de Médecine Paris-Sud. Tsy adino koa ny fihaonana tamin’ireo mpitsabo maro be tao amin’ny Lapan’ny Tanana Mahajanga. Nanatanteraka fizaram-pahalalana tamin’ireo mpitsabo maro be ireo ny mpiakamba ao amin’i LCDM SOLIMAD sy ny Filohany.

🇲🇬🇲🇬🇲🇬Ny Faingosela sy ny Fianarana


Ny Faingosela dia miteraka fanaintainana eo amin’ireo zaza mitondra izany aretina izany. Noho izany fanaintainana izany dia misy fotoana voatery mampianto ny fianarany ireo zaza na tanora, indraindray maharitra izany fiantona izany. Manoloana izany dia zava-dehibe ireo fitsaboana sy toro-lalana avy amin’ireo mpitsabo ao anatin’ny ONG LCDM SOLIMAD ahafahana miatrika ny Faingosela ary hananan’ireo zaza sy tanora hoavy eo amin’ny fiaraha-monina. 

🇫🇷🇫🇷🇫🇷La Drépanocytose et les études 


La Drépanocytose est une maladie qui perturbe la scolarité des des enfants et des jeunes à cause de la douleur qu’elle engendre. Des fois, ces enfants sont obligés de se porter absents pendant de longue période suivant le degré de la douleur. Les médecins de l’ONG LCDM SOLIMAD interviennent alors pour la prise en charge de ces malades et pour leur accompagner pour faire face à la maladie et pour avoir un avenir meilleur. 

🇲🇬 Ivo-toerana fitsaboana ny Faingosela Toamasina

Nanatanteraka fanomezan-drà ho an’ireo Mpifaingosela ireo olona tsara sitra-po ny faha-20 ny volana oktobra farany te. Ny rà dia isan’ny zava-dehibe eo amin’ny fitsaboana ireo Mpifaingosela. Toy ny fotoana fanomezan-drà dia misy sakafo maivana ataolotra ireo avy nanome rà.

🇫🇷 Centre de référence Drépanocytose Toamasina

Des volontaires ont effectué un don de sang destiné aux Drépanocytaires le 20 octobre dernier. Le sang est d’une importance capitale pour les Drépanocytaires dans leurs traitements. Comme après chaque séance de prise de don de sang, une pet_s_ite collation est fournie pour les volontaires.

Ivo-toerana mitsabo Faingosela Antsiranana

Nanatanteraka fanentanana sy fahampahalalana momba ny Faingosela na Drépanocytose tao amin’ny Oniversite Antsiranana ny Dr Setriny Ravoavy, Médecin Référant ny Ivo-toerana LCDM SOLIMAD Antsiranana. Ankoatra ny fiazarana sy fampahafantarana ny momba ny Faingosela dia nisy ihany koa ny fanomezan-dra ho an’ny Mpifaingosela na Drépanocytaires. Ireo mpianatra ao amin’ny Institut Sainte-Anne sy ireo miaramila no nanome ra ho an’ireo Mpifaingosela mila izany.

Centre de référence Drepanocytose Antsiranana

La semaine dernière, le Médecin référant de l’ONG LCDM SOLIMAD à Antsiranana, le Dr Setriny Ravoavy, a tenu une séance sensibilisation sur le Drépanocytose à l’Université d’Antsiranana à l’endroit des étudiants. Par ailleurs, les étudiants de l’Institut Sainte-Anne et des militaires ont aussi fait des dons de sang pour les drépanocytaires.

Caravane médicale – LCDM SOLIMAD

La caravane médicale est une actions déployée par l’Etat pour permettre à la population de se rapprocher de plus en plus des services de santé par sa gratuité. Lorsque la caravane médicale s’est orientée vers le Grand Port de l’Est, l’ONG LCDM SOLIMAD y a pris part. Des séances d’information et de sensibilisation sur la Drépanocytose ont été entreprises par le Dr Ndahimananjara Johanita, médecin référent de l’ONG à Toamasina, suivi des journées de consultation et dépistages.

Hetsika Caravane médicale – ONG LCDM SOLIMAD

Anisan’ny hetsika notanterahan’ny fanjakana ny « Caravane médicale » izay manakaiky kokoa ny vahoaka sy najafahan’izy ireo nisitraka fitiliana sy fitsaboana maimaimpoana. Nandray anjara tamin’io hetsika io ny ivotoeran’ny LCDM SOLIMAD izay tarihin’i dokotera Ndahimananjara Johanita. Maro ny olona tonga nanatona nanao fitilina sy fizaham-pahasalamana maimaimpoana.

Farafangana: Dépistage de diabète chez les drépanocytaires

Le 21 août dernier s’est déroulé à l’Hopital Be de Farafangana une journée de dépistage de diabète chez les drépanocytaires. Ce sont les clubs de service tels que le Lions Club de la Zone 11 (Toliara, Fort-Dauphin, Manakara, Farafangana et Ambovombe), du Léo Club Fierena et les acteurs de la santé tels que les médecins et paramédicaux du Centre Hospitalier Universitaire de Farafangana et du médecin référent de l’ONG LCDM SOLIMAD local qui organisé cet événement. Pendant cette journée, l’initiative a permis à 55 femmes et 29 hommes drépanocytaires de se faire dépister, et à l’issu de laquelle 11 personnes sont testées positives au diabète. Le dépistage est nécessaire pour faciliter la prise en charge des drépanocytaires et pour éviter les risques de complications.

Farafangana: Fitsirihana diabeta natao tamin’ireo Mpifaingosela

Ny 21 aogositra lasa teo dia nikaraka fitiliana diabeta tamin’ireo Mpifaingosela ireo Lions Club faritra faha-11 (Toliara, Fort-Dauphin, Manakara,Farafangana Ary Ambovombe), ireo Léo Club Fierenana, ny Centre Hospitalier Universitaire Farafangana ary ny Mpiandraikitra ny Ivo-toerana mitsabo Faingosela (ONG LCDM SOLIMAD) ao an-toerana. Nandritra io andro io dia Mpifaingosela 11 amin’ireo vehivavy 55 sy lehilahy 29 notilina no voamarina fa tratry ny diabeta. Ilaina ny fitiliana ny diabeta mba hanamora ny fandraisana an-tanana ireo mararin’ny Faingosela sy mba ialana amin’ny mety fahasarotana ho sedrainy.

Sampampampianarana momba ny Fitsaboana Oniversite Antsiranana

Notanterahina ny herinandro lasa teo tao amin’ny Anjerimanontolo Antsiranana ny fanomezana karazam-boky maro avy amin’ny ONG LCDM SOLIMAD ho an’ny Sampampampianarana Momba ny Fitsaboana. Ny mpiandraikitra ny Ivo-toerana momba ny Fitsaboana ny Faingosela ao Antsiranana no nisolotena ny Fikambanana tamin’izany. Ireo boky ireo dia hoentina manampy ireo mpianatra ho mpitsabo ahalala misimisy kokoa momba ny Faingosela ary ny manodidina ny fitsaboana izany.

Faculté de Médecine Antsiranana

L’ONG LCDM SOLIMAD a fait don de livres et de manuels à la Faculté de Médecine de l’Université d’Antsiranana la semaine dernière. C’est le Médecin Référent de l’ONG à Antsirananana qui a remis ces donations aux principaux responsables de l’Université et de la Faculté. Ces livres et manuels permettront aux étudiants en Médecine de comprendre davantage la maladie et de s’imprégner des méthodes de prises en charge des drepanocytaires.

Ivo-toerana vaovao mitsabo Faingosela Befandriana Avaratra

Nisokatra ny herinandro lasa teo ny Ivo-toerana vaovao mitsabo Faingosela ao Befandriana Avaratra. Ny Dr Razanabelona Eliane no médecin référent an’ny ONG LCDM SOLIMAD ao an-toerana. Izy ihany ko no nandray ny « microscope » nomen’ny ONG LCDM SOLIMAD, izay nosoloan’i Dr Miarana Andriambao Damasy, filoha lefitry ny fikambanana, tena. Nanatrika izao fanomezana izao ny médecin inspecteur ao Befandriana Avaratra, Dr Rajaoharivelo Alfred. Ny microscope nomena ireo Ivo-toerana mitsabo Faingosela dia fiaraha-miasa eo amin’ny ONG LCDM SOLIMAD sy ny Faculté de Médecine Paris Sud mba ahafahana manantareraka ny fitiliana ireo Mpifaingosela amin’ny alalan’ny « Test d’EMMEL ».

Nouveau Centre de référence Drepanocytose Befandriana Nord

Un nouveau Centre de référence Drepanocytose vient de s’ouvrir la semaine dernière à Befandriana Nord. Par la même occasion, le Dr Razanabelona Élianne a rejoint le réseau des médecins référents de l’ONG LCDM SOLIMAD. C’est à ce titre qu’elle a réceptionné de la Vice-présidente de la fondation, Dr Miarana Andriambao Damasy, une donation de l’ONG LCDM SOLIMAD: un microscope. Ce microscope est le fruit du partenariat entre l’ONG et la Faculté de Médecine Paris Sud. La remise de don s’est déroulée en présence du médecin inspecteur, Dr Rajaoharivelo Alfred. Le microscope est un outil nécessaire pour permettre d’effectuer le Test d’EMMEL afin de dépister les drepanocytaires.

Ivo-toerana mitsabo Faingosela Antsohihy

Notanterahina tamin’ny herinandro lasa teo ny fanolorana ny « Microscope » roa ho an’ny Ivo-toerana mitsabo Faingosela Antsohihy. Ny Filoha lefitra Dr Miarana Andriambao Damasy no azy amin’ny ivo-toerana mitsabo Faingosela sy ho an’ny CHRD Antsohihy. Izao fanomezana izao dia vokatry ny fiaraha – miasa eo amin’ny ONG LCDM SOLIMAD sy ny Faculté de Médecine Paris Sud.

Centre de référence Drepanocytose Antsohihy

L’ONG LCDM SOLIMAD a remis la semaine dernière au Centre de référence Drepanocytose d’Antsohihy deux microscopes. Ce donation, fruit du partenariat entre l’ONG LCDM SOLIMAD et la Faculté de Médecine Paris Sud, est une donation pour le Centre référence Drepanocytose et pour le CHRD Antsohihy.